Politique

Tanora TIM Ambohimanarina “Mila tanora tompon’andraikitra vonona hanova rasa isika”


  • Talata 24 Mey 2022

Vita ny fiofanana momba ny "Call Center" dia ampidirina miasa eny anivon'ireny orinasa ireny ireo tanora vita sivana, hoy ny filohan’ny tanoran’ny antoko politika Tiako I Madagasikara na tanora TIM Eny Ambohimanarina,

Lalaina Rabezanahary, nanazava mikasika ny fanofanana arak’asa maimaimpoana momba izany izay atolotr’ireo nanomboka ny sabotsy teo omaly. Maro, hoy izy, ireo orinasa miara-miasa ka izay no ahafahana mampiditra ireo tanora miasa avy hatrany. Ireo tanora ety Ambohimanarina ihany aloha no hisitraka izany ary tsy mifidy na avy aiza na avy aiza fa misitraka daholo. Mitohy kosa ny fampianarana maimaimpoana ho an'ny fampianarana informatika sy teny Anglisy izay efa erintaona izay no nanaovana azy. Amin'ny faran’ny volana jona dia hanomboka indray ny “Cours Faradoboka” ho an'ny mpanala fanadinana BACC izay fanaon'ny tanora TIM nandritry ny 4 taona! Mila tanora tompon’andraikitra vonona hanova rasa eo amin'ny sehatra ara-politika. Tsy voatery hoe manana andraikitra na toerana ambony vao afaka hanasoa ny mpiara-belona. 50 isa eo ho eo ireo andiany voalohany amin’io fampiofanana “call center” io, hoy hatrany ny fanazavan’ity filohan’ny tanora TIM Ambohimanarina ity.
J. Mirija
Legende: Lalaina Rabezanahary
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT