Politique

Tanora Tiako i Madagasikara Nanaporofo fa velona ny antokon’i Dada


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2012

Tia filaminana, mahay manaja, manana foto-pisainana tia mikaroka sy mamoron-javatra.

 Izany no toetra tokony hananan’ny Tanora Tiako i Madagasikara, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita tao amin’ny fanotronana ny hetsika nokarakarain’ny Tanora Tiako i Madagasikara tetsy amin’ny hotely Fanantenana Ampandrana izy omaly alahady 14 oktobra. Mahavelom-bolo izao hetsika ataonareo izao fa manaporofo ny maha antoko velona ary mihetsiketsika ny Tiako i Madagasikara. Mila hery isika ato ho ato, fa manakaiky ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy izy.

Nangataka fanohanana avy amin’ny mpitarika ianareo teo, hoy ity lohandohan’ny mpisoron’ny Ankolafy Ravalomanana ity, ka ny ahy efa ela no nivoha nidanadana ny varavarana. Nanamafy izany Atoa Guy Rivo Andrianarisoa mpitondra tenin’ny Filoha Marc Ravalomanana raha nilaza fa vonona amin’ny fanoloran-tanana an’ireto tanora ireto sy hiaraka hiasa ihany koa. Hatao tonga any amin’ny Filoha Marc Ravalomanana izao fahavononanareo izao sy ny fanirian’ny Tanora Tiako i Madagasikara, hoy izy. Atoa Ramanantsoa mpiara-mitantana ny TIM Analamanga kosa dia nanipika tsara fa manao fototra isika ary efa nanao izany hatramin’izay ka tsy matahotra karazan-doza voajanahary satria mafy fototra.

Akaiky ny fotoana ka mila miomana isika, hoy izy, aza matahotahotra izany intsony mitonona ho Tiako i Madagasikara sy mijoro amin’ny fotokevitra nimatesana hatramin’izay. Parlemantera ary mpikambana Tiako i Madagasikara maro no nanotrona sy nanome voninahitra ity hetsika tetsy Ampandrana ity. Notolorana mari-pankasitrahana sy fitaovana hoentin’izy ireo manofana kosa indray ny efatra mianadahy tamin’izy ireo, izay niofana manokana mikasika fahandroan-tsakafo sy fanaovana mofomamy. Fitaovam-pihainoana hira kosa ho an’ireo telo voalohany tamin’ny fifaninanana dihy ary medaly ho azy 50 mianadahy hafa. Nambaran’ny CT Ravololofanja Aurélie, mpandrindra ny Tanora Tiako i Madagasikara sady tompo-marika tamin’ny fanetsiketsehana ireto tanora ireto fa hetsika ara-panatanjahantena indray no hatao manaraka amin’ny volana desambra anatin’ny tsingerin-taona nahaterahan’i Dada.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT