Mikatsaka hatrany ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana ary milatsaka hofidiana ho filoham-pirenena indray no tena tanjon’ny Tanora Tiako i Madagasikara, hoy ny CT Ravololofanja Aurélie.
Taorian’ny telo volana tsy an-kiato nianarana dihy sy fianarana fahandroana sakafo dia hisy hetsika hotontosaina etsy amin’ny hotely Fanantenana, ny alahady 14 oktobra tolakandro, hataon’ireo Tanora Tiako i Madagasikara nanaraka an’ireo fiofanana ireo hampisehoan-dry zareo ny talenta norantoviny. Hiditra ao anaty fifaninanana ahazoana loka samihafa mihitsy ireto tanora ireto ao anatin’izany hetsika izany, araka ny fanamarihana nomen’ny CT Fanja ihany, ary tena fanomezana andraikitra feno azy ireo eo amin’ny fisahanany izany. Ny vola azo amin’ity fifaninanana miendrika fampisehoana ity dia hanatevenana ny kitapom-bola hoentina hanohanana ny tanora. Marihina fa efa nisy fotoana in-droa miantoana izao efa nampisehoan’ireto Tanora Tiako i Madagasikara ireto ny ampahan’ity hetsika hataon’izy ireo ity teny amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.