Politique

Tanora RMDM Miantso ny tanora hanohitra ny jadona


  • Zoma 05 Martsa 2021

Nanao fanambarana tetsy Bel’air omaly ireo tanora mpanohitra eo anivon’ny

 

 

 

Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara sy ny “Union des jeunes pour la révolution”. Tsapanay, hoy izy ireo, ankehitriny ny fangirifirian’ny tanora Malagasy satria tsy hita taratra ny hoaviny. Maro ireo nahita fianarana nefa firy amin’izy ireo no mba mahita asa na ny tsy nahita fianarana fa toa mirenireny fotsiny? Eo koa ireo tsy afa-manohy noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Misondrotra isan’andro ny vidim-piainana eto Madagasikara ka maro ireo very fanahy mbola velona lasa mivarilavo. Eo ny olan’ny tsy fandriampahalemana, tsy fahampian-drano, vidim-piainana midangana isan’andro. Hita ankehitriny ny fanapenam-bava amin’ny endriny samihafa. Isany ny tsy fahafaha-maneho hevitra sy tsy fahafaha-mivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny repoblika Malagasy. Mijoro izahay noho ireo antony ireo. Miantso antsika tanora rehetra fa tomponandraikitra amin’ny hoavin’ny firenentsika isika, hanohitra ny jadona misy eto amin’ny tany sy firenena Malagasy. Ny fijoroanao anio sy ny fijoroantsika rahampitso ry tanora namana no antoky ny fiainanao rahampitso sy ny hoavin’ny taranaky ny vahoaka Malagasy ka tsy tokony ho lalaovina ny hoavintsika tanora. Mitaky ny amoahana tsy misy fepetra azy 11 mianadahy izay tonga hihaino ny tatitra nataon’ireo solombavambahoaka teny amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo izay efa nomen’ny filoham-pirenena ankehitriny fony izy ben’ny tanana ho kianja fanehoan-kevitra ihany koa, hoy hatrany ireto tanora mpanohitra ireto.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT