Nanao fanambarana amin’ny anaran’ny tanora Malagasy manerana ny nosy tsy manaiky tsindry hazo lena ataon’izao fitondrana izao tetsy Bel’air omaly
ny filohan’ny Tanoran’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Frerot L’homme noir, fa tsy mankasitraka ny zava-misy any atsimo ny tanora RMDM. Tsy azo atao ary mamoafady iny zava-niseho iny, hoy izy. Miandry korontana, faty olona, fanagadrana foana ve vao afaka mamaha olana ny fitondrana? Fomba tsy tokony atao izany ka toherinay tanteraka sy melohinay ny olona sahy nahavanon-doza nanao iny famonoana iny. Na mpianatra na tsia ilay olona dia ain’olona no maty teo. Takianay ny famoahana ny anaran’ny olona nahavanon-doza. Tokony hahay handray lesona ny mpitondra. Vao 2 sy 3 andro izy no nanao fampanantenana bobaka be tany amin’iny faritra atsimo iny. Tonga sahady ny valin-kafatra avy amin’ireo mpianatra dia ny hoe hay nisy ihany ity vola ity fa niniana tsy naloha mihitsy ny zonay. Aminay dia tsy misy famahana olana intsony izao fitondrana izao fa sary ny azy no tonga aloha, makety be dia be, kobaka am-bava tsy tenenina intsony. Raha mangina amin’izao ny tanora dia tsy hisy zavatra hanjary eto amin’ity firenena ity. Rehefa hinia tsy hihaino fa hanao izay saim-pantany foana izao fitondrana izay nanao fifanarahana tamin’ny vahoaka izao dia ialanay tsiny fa rariny sy hitsiny angamba raha haneho ny heviny amin’ny fotoana mampety azy ny vahoaka na aiza na aiza. Mba tsy hahatongavana amin’izany dia vahao faran’izay haingana ny olana rehetra mandalo eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny tanora RMDM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.