Politique

Tanora Miaro ny Fitondrana “Misy minisitra tena tsy miasa sy tsy hita”


  • Talata 08 Febroary 2022

Teto no toerana saika naha voatifitra ahy niaraka tamin’ny prezida Etienne, hoy ny filohan’ny fikambanana Tanora mijoro ho an’i Madagasikara na TMM sy Tanora miaro ny fitondrana na TMF,

 Falson Jocelyn Rantenaina, nanati-boninkazo tetsy amin’ny tsangambato fahatsiarovana ireo lavo tamin’ny 7 febroary 2009 tetsy Ambohitsorohitra omaly. Mbola mpaka sary ny tenako tamin’izany fotoana izany ary very fakan-tsary, hoy izy, raha nahatadidy ianareo mpanao gazety. Very ny kiraro, ny zavatra teny an-koditra rehetra. Teraka tsy tonga volana ny zanako ary natao hoe Ramanandraibe Andry Rajoelinah Fitiavana no anarany. 13 taona ilay tolom-bahoaka niarahana tamin’ny filoha Andry Rajoelina. Iaraha-mahalala ankehitriny ny sosialim-bahoaka izay tokony hanaovana antsoavo amin’ny fitondram-panjakana mijoro satria sahirana ny vahoaka Malagasy. Mandray andraikitra ny filoham-pirenena ary amintsika miteny izao dia midina any atsimo atsinanana, any Farafangana, izy mijery manokana ny zava-misy. Mila mijery tsara ny filoha fa hiatrika fifidianana ny vahoaka Malagasy afaka 2 taona. Iza no minisitra maharaka ny hafainganam-pandehany? Jereo ny tena ekipa mavitrika sy tena miasa manampy ny filoha, manampy ny vahoaka. Raha toy io minisitry ny mponina io daholo ny minisitra rehetra teo ambany fitarihan’ny praiminisitra dia tena lasa paradisa I Madagasikara satria tena ny ainy iraimanontolo, ny tetibolany iraimanontolo no natokany ho an’io fa tsy vitan’ny minisitry ny mponina irery ny fampandrosoana ny vahoaka 26 tapitrisa, indrindra, ao anatin’ny distrika miisa 119. Tokony miara-misalahy ireo minisitra “coach” eraky ny faritra. Misy minisitra tena tsy miasa sy tsy hita. Andao hatsaraina izay tokony hatsaraina hiampitana any amin’ny repoblika faha 5, hoy hatrany ny Tanora miaro ny fitondrana.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny TMF, eo anivon’ireo mpiaradia aminy.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT