Politique

Tanora miandrandra ny hoavy “Tsy maintsy misy foana ny mpamingana anaty fitondrana”


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Tontosa ny alahady teo tetsy amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina ny fihaonamben’ny Tanora miandrandra ny hoavy na TMH.

Sady nankalazaina tamin’io koa ny faha 6 taonan’ny fikambanana. Miezaka manome sehatra sy mamolavola tanora ara-tsaina, vatana, fanahy ny TMH, araka izany anarany izany, hoy ny filohany, Rafidimanana Désiré, indrindra eo amin’ny fiseharana amin’ny lafiny sosialim-bahoaka ahafahana manampy ny mpiara-belona. Tsy misy tsy mahafantatra koa anefa fa miaradia amin’izao fitondrana izao ny TMH ary isany nametraka ny dian-tanany nametraka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teo amin’ny toerany. Maro ny sedra nolalovana saingy ny mahafaly dia misy manerana an’I Madagasikara ankehitriny ny TMH. Ilaina ny fifampiresahana ary amin’ny alalan’izany ihany no ahitana marimaritra iraisana ahafahana mitsinjo ny vahoaka. Niseho izany tamin’ny resaka fitantanana ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana. Nisy ezaky ny fitondrana tao. Tsy ekena ny fanakorontanana satria karazana tahotra fifidianana izany ho anay. Handray 4 taona ankehitriny ny fitondrana Rajoelina. Tsy nisy mpitondra tonga lafatra teo fa ny asa vita no ifampitsarana. Teo ny krizy fa tsy azo odian-tsy hita ireo fotodrafitrasa natsangan’izao fitondrana izao. Raha tsy hiteny ny lalana Ambatondrazaka-Moramanga fotsiny isika, ohatra, izay efa kely sisa. EPP, CEG, Lisea, Oniversite, kianja manara-penitra entina hanandratana sy hanampiana ny tanora amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Ireo tohadrano samihafa sy ny tsy voatanisa rehetra. Ny filoham-pirenena ihany no mahafantatra izay ekipa manao baolina tsara eny ambonin’ny kianja, raha resaka hoe mpamingana azy ao anaty fitondrana ihany no lazaina. Manome tanana azy no anjaranay ety ivelany. Tsy maintsy misy foana izany mpamingana anaty fitondrana izany fa tsy hampalemy ny filoham-pirenena akory izany, hoy hatrany ny TMH.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT