Tsaroantsika mpanao gazety tsara fa niteny ny ben'ny tanana, Franck Michel Niaina Andriantsitohaina, fa ho averina amin'ny kaominin’Antananarivo renivohitra (CUA) avokoa ireo taniny rehetra namidy na nisy naka tamin’ny fomba tsy ara-dalana, hoy ny mpanolontsain’ny tananan’Antananarivo, Clémence Raharinirina omaly.
Miisa am-polony maro izy ireo. Ankehitriny misy tanin'ny CUA miisa 2 eny Tanjombato sy Anosizato voalaza fa tratran'izay tranga izay. Mirefy 01ha mahery avy izy ireo. Ny zava-misy anefa dia nanapa-kevitra ny hivarotra ny ampahany amin'ireo ny ben'ny tanana Naina Andriantsitohaina ary tsy hitanay ao anaty dosie nomena anay mpanolotsaina ny refiny amidy marina. Nosoratana ao anatin'ny fifanarahana na « convention » fa ho setrin'izao famarotana ny tanin'ny CUA izao dia hiantoka ny famitana na "finition" an'ny fanamboarana ny tsena Behoririka ilay mividy tany. Iza no namarotana ireo tanin'ny CUA ireo? Ao amin'ny « convention » voalohany dia Hassanaly Hervé no misoratra ary ao amin'ny faharoa dia société PRIM Immobilier no hita. Niezaka nanontany ny ben'ny tanana momba izany rehetra izany ny tenako fa tsy nisy valiny. Ny fanontaniana apetrako dia hoe ekentsika ve ny famarotana ny tanin'ny CUA amin'ny endriny mivantana na an-kolaka? Tsy tokony “bail” ve no nataon'ny CUA fa tsy famarotana toy izao? Hay ve ny mpitantana ny CUA ankehitriny mahay mamolavola “convention” rehefa hivarotra fa mailaka ery hanafoana ny “convention” nifanarahan'ny CUA sy ny mpivarotra malagasy izay tsy fifampivarotana akory fa fifanarahana 10 taona izay manaporofo fa mbola hiverina amin’ny CUA manontolo ny tany aorian'izany? Ny nampalahelo anay mpanolotsaina telo mianadahy, Toavina Ralambomahay, Hilda Hasinjo Ravelonahina dia lany indray ny lahadinika momba izany. Izahay moa nanao tsia ka na nisy aza ny mic mac “vote secret” dia nasehonay ampahibemaso ny fanaovanay tsia ho fandavana izany, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.