Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,
izay sady solombavambahoaka, sy i Ta Tence, manoloana ny raharaha nahafatesan’ny mpanakanto mpandrindra feo, Alain Boutre, tao amin’ny hopitaly Befelatanana. Manana porofo izahay, hoy i Mamy Gotso fa nisy tandrevaka nataon’ny mpitsabo tao. Manana raki-peona dokotera miteny zavatra tsy mety hoe « alefaso any amin’ny morgue amin’izay » ary misy vavolombelona marobe. Raha vao tsy misy, hoy izy, ny fepetra raisina amin’ireo hopitalim-panjakana mpamonovono olona ireo, indrindra fa io Befelantanana io, amin’ny herinandro ambony dia hahita ireo fa hirodorodo ho eny amin’ny prezidansy eny izahay. Tsy lalaovina ny ain’olombelona fa hopitalim-panjakana io fa tsy an’ny babanareo amin-dreninareo, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Tsy maty ilay olona vao mikoropaka hoe hay mpanakanto manana ny hajany be eran’i Madagasikara. Hahita raharaha ireo dokotera fa hampihinaninay an’ireo ny fatin’i Alain, hoy izy, raha tsy misy ny sazy omena an’ireo. Hataonay ampamoaka ho ren’izao tontolo izao ny olana misy ao amin’io hopitaly Befelantanana io. Tsy vao izao no nisiana olana momba ny tontolon’ny fitsaboana eto Madagasikara. Vao tsy ela ny raharaha Tahisy, izay nampidoboka am-ponja ny sakaizany sy ny mpitsabo iray. Ho an’ny Hopitaly HJRA etsy Ampefiloha, dia misy mpitsabo miisa 3 anaovan’ny Bianco fanadihadiana. Io fa vaky ihany koa ny raharaha Alain Boutre. Tsy ny mpitsabo rehetra akory no manao tsirambina sy tandrevaka fa matoa misy ny zavatra toy izao, dia misy tokony hohatsaraina. Tsy vitsy rahateo ny fitarainana mandeha, saingy mety olon-tsotra no lasibatra hatramin’izay, dia tsy afa-manoatra, fa ny niseho tato ho ato kosa dia olobe eto amin’ny tany sy fanjakana, toy ny vadin’ny filoham-pirenena, depiote, mpanakanto,… no mijoro.
J. Mirija sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.