Politique

Tandindomin-Ravalo Namoaka NOTAM hafakely indray


  • Zoma 26 Oktobra 2012

Mandindona ny fahatongavan-dRavalo ka dia mivoaka indray ny NOTAM.

 Nisy toromarika ho an’ireo mpanamory nivoaka tokoa mantsy omaly tao amin’ny tranokalan’ny ASECNA http://www.ais-asecna.org/fr/ntm/notam.php milaza fa tsy maintsy ampahafantarina 24 ora mialoha ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ny lisitry ny mpandeha fiaramanidina rehetra hihazo an’i Madagasikara. Ny tsy fanaovana izany dia mitarika fanafoanana ny sidina avy hatrany. Manankery mandritra ny telo volana, nanomboka omaly 25 oktobra 2012 ary mitohy hatramin’ny 25 janoary 2013 io fepetra io. Natao hanaraha-maso sy hamantarana mialoha ny olona miditra eto Madagasikara ity fepetra ity, fa ny mpandinika dia mahatakatra tsara fa i Marc Ravalomanana no tena kendrena amin’ity, sao tonga tampoka eny Ivato toy ny tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana vadiny, vao hikoropaka.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT