Ofisialy fa hatao eny Tsimahabeomby Imerintsiatosika ny tetikasa tanàna vaovao na ny “Nouvelle Ville Tanamasoandro”, taorian’ny fikarohana toerana nandritra ny volana maromaro, rehefa tsy raikitra ny teny Ambohitrimanjaka.
Any amin’ny toerana misy ny Ivon-toeran’ny Nasa ilay sampam-pikarohana Amerikanina mandinika ny eny ambony tsy taka-maso no hasiana azy io. 26 km miala an’Antananarivo, ary io no voasokajy ho safidy tsara indrindra hanaovana ny tanamasoandro, raha ny nambaran’ny Minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Atoa Zasy Angelo. Fanitarana An’Antananarivo io, ary nambarany fa tena maty hamindrana ireo toerana ara-panjakana eny Anosy, ny ministera,… amina toerana tsara kokoa. Akaiky ny renivohitra, tsy dia misy mponina, latsaky ny 40km miala an’Antananarivo,… ka ambara fa io no toerana idealy taorian’ny fahasarotana teny Ambohitrimanjaka izay tsy maintsy ilàna fanonerana be. Andrasana kosa etsy andaniny izay ho setriny sy fijery hafa momba ny toerana, toy ny mety ho olana na fanoherana, fa ho an’ny Fanjakana aloha dia toa efa manga izany ny lanitra. Manao ahoana ihany koa ny hoenti-manana? Iza no hamatsy vola?
Tsara ny mampahatsiahy, fa nanome toromarika ho an’ny Minisitra Lefitra Zasy Angelo ny Filoha afak’omaly 04 novambra nandritra ny filankevitry ny minisitra, mba hanafainganana ny tolo-bidy sy ny asa rehetra tokony hatao amin’ny fanatanterahana ireo fanorenana toeram-ponenana isam-paritra araka ny efa voafaritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana farany teo io. Nesorina tamin’ny toerany kosa ny Tale Jeneraly misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.