Politique

Tanàmasoandro Nanomboka omaly ny “Traçage Voirie”


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Tsimahabeomby Imerintsiatosika ny “Traçage Voirie”

 

 

 

ho fanombohana ny tetikasa Tanamasoandro. Amina velaran-tany 982ha moa no voalaza fa hanaovana an’io. Ho hita ao anatin’ny ny Biraom-panjakana, trano fonenana, toerana fialam-boly,… Isan’ny nambaran’ny Fanjakana ihany koa fa eny no handraisana ny lalaon’ny Nosy 2023. Ny 700ha eo no voalaza fa tanim-panjakana ary manodidina ny 200ha mahery no an’ny mponina. Mitohy ny fifampiresahana amin’ny tompon’ny tany izay voakasika satria misy foana izany amin’ny amin’ny tetikasa lehibe tahaka izao, hoy ny Minisitry lefitra misahana ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao Atoa Zasy Angelo Christian. Trano 244/300 no an-dalam-panatanterahana raha 50 000 mahery no zakan’ny toerana. Ventesina hatrany, fa hitondra tombotsoa ara-toekarena, hanome asa ny mponina,… ny fananganana azy io. Ilaina ny zavatra tahaka izao saingy izany ve no maika? Tena hitondra tombotsoa ara-toekarena ve sa ho bizina an’olom-bitsy ? Asa mba aiza ho aiza ny hoenti-manana ara-bola amin’izany satria manodidina ny 6-10 miliara dolara eo ilaina amina tanàna vaovao izany? Tena mitombina ve ilay hovitaina roa taona sy tapany amin’izao fomba fiasa sy fitantanan’ny Fanjakana izao ?

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT