Ny vondrona Al Jaber, izay vondrona matanjaka anisan'ny nanangana ireo fotodrafitrasan'ny tanan'i Dubai sy Abu Dhabi izay fantan-daza maneran-tany no ho mpiara-miombon'antoka amin'ny Fanjakana Rajoelina amin'ny
fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro. Ny 30 may teo tany Abu Dahbi no nihaona tamin'ny Filohan'ny Filankevim-pitantanan’io vondrona io. Nambara fa natao nifanaraka amin'ny zava-misy eto sy ny filan'i Madagasikara ny paikady entina hanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro naroson'ny vondrona AL JABER tamin'ny delegasiona Malagasy. Voarakitra ao anatin'ity paikady ity ihany koa fa 60%-n'ny akora sy ny fitaovana ampiasaina dia ho vokarina eto Madagasikara avokoa, mba hampihena ny fandaniana vokatry ny fanafarana sy ny fitaterana ary ny fivezivezen'ireo fitaovana ilaina. Hananganana"sites" miisa 06 eo akaikin'ny Tanamasoandro ny Al Jaber hahafahana manao ny famokarana izay akora sy fitaovana ilaina eto Madagasikara ihany,... Rehefa dinihina, izao izany vao mitady sy mahita mpiara-miombon'antoka kanefa tamin'ny hanototra an'Ambohitrimanjaka nolazaina fa efa vonona ny zava-drehetra na ny mpiara-miombon'antoka na ny ara-bola. Izao anefa vao misarangotra amin'ny arabo. Inona no tena ho tombony ho an’ny Malagasy ao anatin’izany? Tsy hampiasa vola fahatany aty anefa ny arabo, fa misy tombony sy tambiny tsy maintsy tadiaviny mazava ho azy. Inona no tambiny amin'ny fidirana an-tsehatry ny arabo amin'ny fanatanterahana an'ity veliranon'ny filoha ity? Resaka tany ve? Harena an-kibon'ny tany? Tsiahivina ny propagandin'ny filoha teny Antsonjombe ny novambra 2018 fa mivarotra tany 100 ha dia afaka manao zavatra. Mandeha rahateo ny resaka sy ny ahiahy fa misy na mety hisy ny fikasana hanome tany an-tapitrisany hekitara ny vahiny ankoatra ireo efa nambara ofisialy toy ny 80 ha homena ny Maorisianina ao Moramanga, ny resaka fambolena any Bas Mangoky izay iarahana amin’ny arabo,… Tsiahivina fa adihevitra ary natao fitaovana nanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ny fampanofana tany tamin’ny Daewoo ka sao ny efa namotehana ny hafa indray no haverina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.