Politique

Tamberin’andraikitr’ireo andrim-panjakana Andrasana izay ho vokatry ny atrikasa natao


  • Zoma 01 Aprily 2022

Nifarana omaly ny atrikasa fanamafisana ny tamberin’andraikitr’ireo andrim-panjakana eto Madagasikara ho fanabeazam-boho ny fandriampahalemana eto amintsika izay natao nandritry ny 2 andro.

 Araka izany moa dia notontosaina teo ambanin’ny fiahian’ireo rafitra iraisam-pirenena toy ny sampan’ny firenena mikambana miandraikitra izay fandriampahalemana izay na ny “Fonds pour la consolidation de la paix” sy ny PNUD izy io. Nanatontosa ny fifanakalozana sy nizara ny vahaolana niaraka tamin’izy ireo tao anatin’izany kosa ny avy eo anivon’ny antenimieram-pirenena sy ny sampam-pitsarana miandraikitra ny fanaraha-maso ny tetibola na “cour des comptes”, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ho hita eo indray moa ny tohiny satria dia efa maro loatra ihany izay atrikasa tontosa teto izay saingy mbola isan’ny firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany isika hatreto.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT