Politique

Tambajoatra mpangala-tany “Ravao, fongory, gadrao,…”


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Ankehitriny, 80% amin’ny raharaham-pitsarana dia ady tany avokoa. Ampahatelon’ny raharaha ihany no voatsara. Isaky ny manao fitsidiham-paritra, tsy misy toerana na iray aza tsy hisian’ny fitarainana momba ny fananan-tany,

betsaka ny Malagasy tsy mahay taratasy. Betsaka ny tambajotra, misy ny manao an-keriny tanin’ny vahoaka tsotra, hoy I Andry Rajoelina, izay naneho fa misy olom-boafidy, olom-boatendry, mpandraharaha, mpitsara,... ao anatin’ny tambajotra. Nahitsy ny tenany nanome baiko, fa ny fananan-tany, ny ady tany dia tsy ananana namana, tsy hanana havana, tsy atahorana olom-boafidy na iza na iza fa mila mandray fepetra ny eo anivon’ny fitsarana. « Izaho dia tsy hiaro mihitsy amin’ny tsy rariny, tsy hiaro amin’ny kolikoly. Miantso ny fitsarana handrava ny tambajotra. Misy olona izay efa manana “titre”, ka amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona hafa indray manana “titre” dia mivarotra tany amin’ny olona hafa, manana “certificat de situation juridique”. Misy miray tsikombakomba ihany koa izany any amin’ny fananan-tany, hoy ny Filoha. Gadrao, faizo daholo ireo izay olona manao titre tsy ara-drariny, baiko no omeko anareo ravao io tambajotra. Mila ravana ny tambajotra, tsy ekena intsony ny fitsarana mitanila, mila hatsangana haingana ny fitsarana misahana ny ady tany. Manao antso avo amin’ny Bianco, efa nanangana ny ARAI (Autorité de Recouvrement des Avoirs Illicites), ka izay manana tany betsaka azo tamin’ny tsy ara-drariny dia torohy, zarao amin’ny Malagasy ny tany nalaina tsy ara-drariny, hoy hatrany i Andry Rajoelina.

TARA 13 TAONA
Nambara fa anisan’ny fanalahidy ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny fitantanana ny fananan-tany, ny fanafainganana ny antontan’isa mikasika ny tany, ka izay no nanaovana fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny “digitalisation” mba tsy hisy intsony ny hoe: rovitra ny taratasy, very ny boky,… 119 ny isan’ny distrika, kanefa hatramin’ny fahaleovantena hatramin’izao dia 44 ihany no misy tribonaly. Izay no antony hametrahana izany any amin’ny faritra hafa, toy ny any Sambava, Sainte Marie,… Tsara ny mampahatsiahy, fa talohan’ny fanonganam-panjakana 2009 dia nisy ny tetikasa fanatsarana ny fananan-tany, fanomezana karatany faobe,… novatsian’ny MCI (Millenium Challenge Account) an-tapitrisany dolara maro. Tapaka io noho ny fanonganam-panjakana, antony iray tena nampirongatra ny ady tany. Izao vao miezaka mamerina sy manarina. Midika fa tara sy very 13 taona isika sady mafy ny manarina voka-dratsy, avy eo vao afaka miroso amina lafin-javatra hafa.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT