Mangataka ny hanalana ny lehiben’ny governemanta Ntsay Christian amin’ny toerany ny antoko politika TAMAMI, tarihin’ny filoha nasionaliny Atoa Samihary Floriot.
Matoa mantsy hoy izy mbola misy ny krizy politika miseho eto amin’ny firenena dia tsy mahavita ny andraikiny ny praiminisitra izay tompon’andraikitra voalohany tsy afa-miala amin’izany. Tsy mbola nisy teto amin’ny firenena hoy izy izany lehiben’ny governemanta tsy nifanatona tamin’ny antoko na ireo mpitarika politika samihafa izany. Hovonoina ve izany ireto farany hoy hatrany Atoa Samihary Floriot. Hangatahin’ny TAMAMI araka izany ny handravana tsy misy hatak’andro ny governemanta fa izay ihany no vahaolana. Hangatahin’izy ireo amin’ny Filoham-pirenena ihany koa ny handraisana izany fanapahan-kevitra izany ao anatin’ny filan-kevitry ny ministra hahafahana mamaha ny krizy eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.