Politique

Talen’ny fampielezan-kevitra ENY Ny TSIA no nandresy tao an-tanŕnany


  • Alakamisy 25 Novambra 2010

Tao Ambodimanga Jese, Kaominina ambanivohitra any amin’ny distrikan’Amparafaravola no nitrangan’ity seho ity.

Kaominina azo ambara fa fiavian’ny Tale lefitry ny fampielezan-kevitry ny Komity mpanohana ny ENY, Dr Ramandehamanana Richard. Ity farany moa dia Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro tato anatin’ny fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no nametra-pialana rehefa nampanaovina io iraka io, dia ny hampandany ny ENY. Tefaka mandrivorivo anefa no nitsena azy tao an-tanànany satria dia nivoaka nandresy tamin’ny salan’isa 53% teo, miohatra amin’ny vato manankery ny TSIA tao amin’io Kaominina Ambodimanga Jese io. Efa nampoizina io vokatra io, indrindra taorian’ny nanaovan’ny Ben’ny tanàna am-perinasa vaky bantsilana ny kilalao politika ratsy ataon’ny TGV tao amin’ity Kaominina ity manodidina ny fifidianana Ben’ny tanàna.

Nahemotra moa ity fifidianana ity raha tokony hatao ny 20 desambra 2010. Ankoatra izay dia samy niloa-bava avokoa ny olona any Ambatondrazaka fa tsy nisy fifidianana ratsy karakara tahaka an’iny teto amintsika. Aiza ve, hoy ireo olona sendra ny mpanao gazety, ka olona efa maty indray no mahazo kara-pifidianana fa ny olona tokony hifidy sady tsy voasoratra anaty lisitra no tsy mahazo karatra. Ao indray ireo mahazo karatra efatra be izao nefa tsy voasoratra anaty lisitra. Fa teo amin’ilay fiakaran’ny taham-pahavitrihana tampoka no nahalasa ny saina, raha tamin’ny efatra ora tolakandro mahery kely ny mpanao gazety no nitety ny birao fandatsaham-bato dia nanodidina ny 25% sy 35% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy, manaporofo izany ny tao amin’ny Fokontany Avaradrova Avaratra. 1.200 no voasoratra anarana 300 no tonga nanefa ny adidiny.

Noho ny fitondrana ny karne mifidy ve sa noho ilay tamtam nataon’ny faritra no nampiakatra tampoka ny taham-pahavitriana ? Ny tena mahagaga ny rehetra dia hoe amin’ny 6 maraina hatramin’ny 4 ora tolakandro tsy misy afa tsy 35% ny taha-pahavitriana, koa nahoana amin’ny 4 ora hamin’ny 6 ora hariva no lasa 45% ny taha-pahavitrihina ? Ho an’ny Kaominina Ambatondrazaka ambonivohitra dia mpifidy voasoratra anarana 12 016, ka 5 412 tamin’ireo no tonga namita ny adidiny izay manome ny taham-pahavitrihana 45,041%. Ny ENY nahazo ny 70,28%, ny TSIA 29,72%. Fanontaniana mipetraka koa dia hoe nankaiza ny vato fotsy sy tsy manan-kery izay miisa 356.

 
Niry R.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT