Tsy milamina loatra ny mpitondra fanjakana fa somary mikorontana, raha dinihina ny zava-misy amin’izao fotoana. Raha ny siosio sy ny loharanom-baovao tsy ofisialy azo mantsy, nametra-pialana ny tale kabinetran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina noho ny olana maro sedrain’ny fanjakana.
Sahirana tanteraka na ara-kevitra na ara-bola ny fanjakana rehefa dinihina avy aty ivelany, saingy miezaka manao serasera mipoapoaka. Nolavin’ny filoha anefa io fametraham-pialana io, raha ny siosiom-baovao ihany, ka izay no tsy nisian’ny akony firy ary mety nalamindamina tao aloha ny resaka. Midika io fa mikorontana ny fitantanana ny firenena, ary tena tsy voafehin’ny fanjakana ankehitriny ny fitondrana. Indraindray toa diso fanapahan-kevitra sy efa manaotao foana vao miverin-dalana, ary ny farany teo aza dia ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC no nanitsy ny dia tamin’ny amboletra saika hatao. Ny sarety no lasa alohan’ny omby tamin’ny fikatsahana hanao fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy ho vitan’ny Filoha irery ny fitondrana ny firenena, saingy maro amin’ireo mpiara-miasa aminy no toa mampijoboka na vao mainka mampanaotao foana azy. Ny hita taratra eto amin’ny firenena rahateo, dia toa olona roa sy telo no tena miteny sy toa miezaka milaza fa mety sy tsy misy pentina ny zava-drehetra na efa hita izao aza fa misy tena tsy mety ao fa didoha no betsaka, ary porofo iny tsipaka am-bavafo nataon’ny HCC iny. Ireny mpiteny lava ireny ihany ve no afaka miaro sy tena mandresy lahatra vahoaka amin’ny ambara fa tena miasa ny fanjakana ka ampanginina ny hafa ? Sa kosa tsy te haloto sy tsy te hijoboka na hiteniteny foana ny hafa fa mangina? Efa misy ihany koa ve ny tsy te hanimba tena sy diso fanantenana tao anatin’ny fidirana tao anatin’ity fitondrana ity ka manomboka mitady lalan-kivoahana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.