Politique

Tale Jeneralin’ny Hetra sy ny Fadintseranana “Tsy idiran’ny resaka politika ny raharaha Claudine sy Mbola Rajaonah”


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Mahakasika ny fakan’ny Fanjakana ny entan’ireo mpandraharaha, Razaimamonjy Claudine sy Mbola Rajaonah dia nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Hetra sy ny Fadintseranana,

 

 

 Atoa Germain sy LAINKANA Zafivanona Ernest fa tsy misy idiran’ny politika mihitsy. Tsy misy fijerena tavan’olona, hoy izy ireo fa asa no natao satria misy ny vola tokony haloan’ireo olona ireo ao amin’ny fadin-tseranana sy ny hetra. Nanambara ireo Tale ireo fa hotohizana hatrany ny fakàna ny fananan’izy ireo raha tsy voasarona sy voaloa ireo trosa. Atao amin’ny fanarahan-dalàna anefa izany rehetra izany.

Vola be no tsy voaloa

Miisa 35 ny fitanana an-tsoratra (PV) mahakasika ny fakana ny entan’i Mbola Rajaonah teo anivon’ny fadin-tseranana. Mizara 3 lehibe ny fanenjehana mihatra aminy: anisan’izany ny hetra tsy naloa tamin’ny famoahan’entana, ny lamandy tokony haloa amin’ny fadin-tseranana ary ny figiazana entana (confiscation). Mitentina hatrany amin’ny 1250 Miliara Ariary ny totalim-bola tokony haloa eo anivon’ny fadin-tseranana raha ny ao anatin’ireo fitànana an-tsoratra ireo. 15 kosa ireo orinasa nanaovana halatra ara-ketra ary 12 miliara Ariary no hetra tsy voaloan’ny orinasa miisa 4 izay fananan’i Mbola Rajaonah araka ny tatitra natao. Raha ny an’i Claudine Razaimamonjy kosa dia nanizingizina izy ireo fa mbola misy 59 miliara Ariary no tokony haloa amin’ny fanjakana. Tsy mahakasika ny Hotely lehibe A&C fotsiny ihany izany ny fakana ny vola na ny recouvrement fa voakasika amin’io ireo fananana manontolo araka ny fanazavana. Anio alarobia 4 martsa no hanatanterahana ny lavantin’ireo entana miaraka amin’ny vadintany etsy Anosy sy any amin’ny Hotely A&C Ivato. Hatreto dia tsy tafiditra anaty fanagiazana ny trano saingy raha tsy mahasarona ny trosa ny vola azo dia tsy maintsy ho tonga amin’izany ny Fanjakana. Nanambara ihany koa ireo tompon’andraikitra fa tsy nisy vola intsony ny kaonty amin’ny bankin’ireo mpandraharaha ireo ka izany ihany koa no antony tsy maintsy hirosoana amin’ny fakàna ireo entana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT