« Tsy misy ambadika politika ny fanakatonana ny AAA ary ny DGI tsy manao politika, fa rehefa tsy manata-dalàna dia haverina amin’ny fanarahan-dalà
na. Tsy fanakatonana tanteraka, fa fampiatoana ara-panjakana (mésure administrative) ao anatin’ny 15 andro hahafahan’ny orinasa manaraka sy mameno ny fepetra araka ny lalàna no natao, hoy ny Tale Jenelin’ny Fitantanana ankapobeny ny hetra na ny DGI Atoa Gérmain omaly teny Antaninarenina. Nambarany fa tsy ny AAA ihany fa 22 no efa nanaovana izany hatramin’ny taona 2019. Ny AAA no nilaza, izahay tsy naka mpanao gazety tamin’ny fanakatonana, izay tafiditra ao anatin’ny tsiambaratelon’ny asa, hoy izy. Hetra mitentina 140 miliara ariary no tsy naloan` ny orinasa AAA – TIKO, hoy hatrany ny DGI. Misy antony matoa tonga amin’ny fanakatonana hoy ny fanazavana : tsy nahaloa hetra na tsy manaraka ny lalàna mahakasika ny fandraharaharana. Tsy midika hoe rehefa nanao “déclaration fiscale” napetraka any amin`ny DGI dia ara-dalàna” hoy Germain, tale jeneralin` ny foibem-pitantanana ankapobeny ny hetra raha nanontaniana mahakasika ny raharaha Orinasa AAA- TIKO.
EFA DILA NY 15 ANDRO
Efa dila ny 15 andro ho an’ny Magro AAA Behoririka izay ny 19 aogositra no nakatona. Nakatona ihany koa ny Tiko sy AAA Toamasina ny 28 aogositra. Nitohy tao amin’ny ozinina Andranomanelatra ny 01 septambra, ary ny AAA Fianarantsoa ny 02 septambra. Nametraka fitoriana mangataka ny fanafoanana ny fanakatonana noho ny fahatsapan’izy ireo ny fisian’ny fanararaotam-pahefana na « récours en annulation pour excés de pouvoir » ny AAA ny 08 septambra teo. Ampatsiahivina ihany fa fanampiana ny orinasa no tokony hataon’ny fanjakana amin’izao krizy izao fa tsy fanakatonana. Tena tsy maintsy nakatona ve raha tsy misy ambadika politika marina ? Tsy afaka sady navela niodina ve ny orinasa amin’izao krizy izao, ary mameno miandalana ny fepetra raha tsy feno tokoa? 22 ve ny orinasa tsy manaja fepetra ara-ketra eo anatrehan’ny taham-pandoavan-ketra 12% raha be indrindra eto Madagasikara ? Andrasana ny tohiny satria efa tokony hisy fivoarany aty amin’ny 15 andro aty aoriana.
Marigny A sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.