Politique

Tahotra sakoroka Nanidy tsena ny mpivarotra tao Bazar be


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011

Araka ny tapaka nandritra ny fifandaminana teo amin’ny Kaominina Toamasina sy ny OMC ary ny Emmo-Reg, dia eo anivon’ny zandary no ametrahana ireo tratra tsy manara-dalàna mandritra ny fandaminana atao.

«Tany misy fanjakana eto ary miasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka manaja ny lalàna», hoy ny Talen’ny fandaminana ny lafintany, Talata Michel, noho izany «tsy azo ekena ny gaboraraka sy ny fandikan-dalàna izay anatin’ny tsy filaminana ankehitriny», hoy kosa ny mpitandro ny filaminana sy ny Kaominina. Leom-boanana anefa ny tao Bazar be, fa «tsy maharo ny olona sy ny fananany ny mpitandro ny filaminana, ka aleonay misoroka toy izay ho very entana am-polony tapitrisa ariary ao anatin’ny indray mipi-maso toy ny tamin’ny 14 oktobra 2010 teo ireny».

Vokatry ny zava-misy sy ny vaovao azon’izy ireo no nandraisany fepetra toy izao. «Ho hita eo ny alatsinainy (ndlr : anio) sy ny ho fivoaran’ny raharaha. Efa misy ihany anefa ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana sy mijanona maharitra eto aminay, fa ny tampoka no atahorana, ka mila alamina tsara ny fandaharam-potoana», hoy hatrany ireto mpivarotra ireto. Nisokatra kosa ny tsena tao Bazar kely, Manangareza, Ambolomadinika, Valpinson ary Ankirihiry. Ankoatra izay, ny sabotsy teo ihany, dia efa nanao fivoriana ireo mpitondra posy tao amin’ny EPP Morarano, nandinihan’izy ireo ny zava-misy sy ny tokony hatao rehetra amin’ny famahana ny zava-manjo azy ireo. Nifandresy lahatra amin’ny tokony hanarahana ny lalàna izy samy izy, nefa hita niakatra ihany ny feo teo amin’ny ankamaroan’ny mpivory.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT