Politique

Tahotra ara-politika Norakofana mpitandro filaminana ny Magro


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Rakotra mpitandro filaminana zavon-tany indray teny amin’ny Magro Behoririka sy ny manodidina ny sabotsy 30 jolay 2022 teo.

Vao maraina dia efa nahetsika izy ireo, hany ka tapaka tsy azo nifamoivoizana hatramin’ireo ampahan-dalana sasany teny an-toerana. Tsara ny manamarika, fa tsy nisy ny fanambarana ofisialy nataon’ny mpanohitra amin’ny saika hanaovana hetsika ny sabotsy teo, fa fivoriana politika nanasana ireo mpitarika politika samihafa no nisy teny Tsiazotafo ny sabotsy teo io. Tetsy andaniny kosa, ny zoma dia efa nilaza ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian fa hosakanana hatramin’ny farany raha misy ny fikasana hanao famoriam-bahoaka ao Behoririka. Ny ampitson’iny, tena noraisina ny fepetra nanetsehana ny mpitandro filaminana niambina ny fidirana tao amin’ny Magro, saingy tsy nisy andian’olona na mpanao politika nihaodihaody sy nikasa hitarika hetsika velively tao an-toerana. Nifanindran-dàlana tamin’io anefa, nahazo alalana soa aman-tsara ny hetsika famoriam-bahoaka ara-politika nataon’ny depiote IRD mivady tetsy amin’ny Kianja Maitson’Analamahitsy ny sabotsy teo. Any Ankazobe no misy olona hatrany amin’ny 30 mahery naripaky ny dahalo, efa zava-doza vao hahetsika ny tafika, fa ny etsy Behoririka vao maraina dia rakotra mpitandro filaminana, hoy ny olona. Toa ny Fanjakana indray eto no lalaovin’ny mpanohitra, ka raha vao tairiny kely dia efa mikorapaka manetsika izay hery rehetra azo hetsehina. Atonantonana eny amin’ny Magro hatramin’ny mpitandro filaminana noho ny tahotra sy hakanosana ara-politika? Izao ve sisa no endriky ny fitantanana firenena sy ny demokrasia nodradradraina fahiny?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT