Politique

Tahotra amin’ ny hahavotsotra ny fahefana Nivory tao Fianarantsoa ny IRD sy ny PM


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Nisy ny fihaonana teo amin’nny Vondrona IRD tany Fianarantsoa ny sabotsy 23 aprily lasa teo, tao amin’ny Hotel Pietra,

nahitana Mpikamban’ny governemanta sy ny minisitra mpiahy avy amin’iny faritany iny, raha ny voarakitra ao anatin’ny taratasy maneho ny pitsopitsony. Tanjona ao anatin’io ny fampandaniana indray ny Filoha am-perinasa Andry Rajoelina sy ny fahamarinan-toerana na fitonian’ny Fanjakana. Isan’ny nantsoina hanatrika an’io ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny governora,… May ny endim-boanjon’ny Fitondrana, ka miomana fatratra, hitady izay fomba rehetra hitazonana ny fahefana, hoy ny mpamakafaka politika. Hatramin’izay, tsy rototra ary tsy mba tazana tamin’ny fihaonana na fivoriana politikan’ny IRD izany ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary toa niezaka nampiseho sary fa mipetraka amin’ny maha teknisianina azy ary tsy voafatotra sy tsy ao anatin’ny antoko TGV-MAPAR. Hafa mihitsy ny sary politika miseho ankehitriny. Noho ny resaka mandeha fa misy mikonkonona fitsipaham-pitokisana na « motion de censure » ve ka may ny endim-boanjony ? Sa izao vao tena mahazo tsirony amin’ny politika ny Praiminisitra ka nanapa-kevitra ho ao anatin’ny loko volomboasary tanteraka amin’izay ? Ny Praiminisitra no Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Voafaritry ny lalàmpanorenana ao anatin’ny andininy faha-39 ny tsy tokony hisian’ny fiandaniana politika ho an’izay fitantanan-draharaham-panjakana tafika izay. Izy no mandamina ny fitondran-draharaham-panjakana mba hisorohana amin’ireo asa rehetra fandanindaniam-poana sy fanodikodinana ny volam-panjakana ho an’ny tombotsoa manokana na politika. Raha tarafina anefa, naman’ny tsy voahaja intsony izay tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana izany, fa efa manomboka mirona betsaka amin’ny fiandaniana ara-politika. Tsy vao izao ny fampiasana ny vola sy ny fahefam-panjakana ho amin’izany, mitombo ny ahiahy fa handeha ny kajy politika goavana toy ny hala-bato amin’ny fifidianana manaraka eo. Tsiahivina fa Praimininisitra ankehitriny dia efa niantsoroka ny fifidianana nahalany ny filoha Rajoelina tamin’ny 2018, ary mbola hiantsoroka an’izany indray amin’ny 2023, raha tsy voahaisotra mialohan’ny fotoana. Io efa miketrika izay fomba hahalany ny Filoha io ny IRD ary isan’ny ao anatiny ny Praiminisitra matoa voasoratra tao anatin’ilay fandaharam-potoana. Toe-javatra maneho fa tena hiketrika mafy hanao izay fomba rehetra hampandany ny Filoha Rajoelina indray. Handeha araka izay hiheveran’ny Mpitondra ankehitriny izany ve zavatra hitranga ? Mbola hisy hanaiky fifidianana hotarihin’ny governemanta Ntsay Christian ve eto amin’ny 2023 na aorian’izay ? Inona no toe-javatra ara-politika mety hiseho ato ho ato eo anatrehan’ny maripana politika miha mafana ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT