Vaovao lehibe isan’ny nisongadina tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly alarobia 18 aogositra ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana faha- 2019-2217 tamin ny 11 desambra 2019
izay nanendry ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana eo anivon’ny Ministeran 'ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola na Directeur Genéral du Trésor auprês du Ministëre de l’Economie et des Finances », izay midika fa nesorina tamin’ny toerany ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana (Trésor) Atoa Ranjalahy Ihajambolatiana. Miato ny fandoavam-bola rehetra eo anivon’ny “Trésor public” ankoatry ny karama mandra-panendry ny Talen’ny “Trésor public” vaovao, hoy ny toromarika. Andraikitra goavana ny fikirakirana volam-panjakana, ary manaitra ny fanesorana ny tompon’andraikitra voalohany hoe : fa nisy inona ? Inona no antony ? Toerana sy andraikitra isan’ny saropady be eto amin’ny firenena rahateo io. Misy ifandraisany amin’ny nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola vaovao Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinarinarison ny alatsinainy teo ve fa betsaka ny fitantanana tsy mazava sy ny fanodinkodinana volam-panjakana ity fanapahan-kevitra voalohany noraisiny amin’ny maha minisitra azy ity ? Isan’ny nambarany fa fanamby apetrak’ity minisitra ity ny fanovana lafiny deontolojia na toe-tsain’ny mpiasam-panjakana, indrindra ireo tena miasa amin’ny fikirakirana ny volam-panjakana izay saropady. Mila hananana ny deontolojia mafy be, hiezaka hametraka izany mba hifanaraka amin’ny fandaniana volam-panjakana, hoy izy. Tsy maintsy hapetraka sy hamafisina ny fifatokisana mba hisy tamberiny amin’ny vahoaka. Miova andriana miova sata ve ka mandeha ny fanesorana noho ny fanamby vaovao sa antony hafa mihitsy? Samy miandry ny rehetra satria efa nilaza ihany koa ny Minisitry ny toekarena vaovao fa hampanao fanadihadiana mikasika ny fanodinkodinam-bola toy ny amin’ny lafiny karama sy ny fisotroan-dronono ka nanipihany fa hanaovana tatitra tsy ho ela izany. Mety tafiditra ao anatin’ny raharaha fanodinkodinana ve ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana matoa nesorina? Ny ampitso no hamaritra an’izany, fa ny tsy azo lavina aloha, dia manaitra sy mampametra-panontaniana rehefa olona mipetraka amina andraikitra goavana sy stratejika goavana toy ireny no hoe niongotra tamin’ny toerany.
Legende:Miato aloha ny fandoavam-bola rehetra ataon’ny “trésor” ankoatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana. (Tahirin-tsary)
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.