31% ny taham-pahavitrihan`ny mpifidy nandritra ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey lasa teo.
Tsy resaka teknika ny antony fa teboka roa no azo hamaritana azy, hoy ny dokotera Harison Razafindrakoto, filohan`ny antoko Avotra ho an`ny Firenena sady mpikambana ao amin`ny Hetsika Fanorenana Ifotony (HFI). Voalohany, tsy atokisan`ny vahoaka ny fanjakana sady tsy mankasitraka izay zavatra ataony. Atahorana izany satria raha mieritreritra hampandroso firenena ny filoham-pirenena nefa tsy ankasitrahan`ny vahoaka ny fanohanana azy dia revin-gadra ny fampandrosoana. Faharoa, olana efa nisy tamin`ny fifidianana filoham-pirenena ilay terena hiatrika fifidianana hafa ny vahoaka. Ny HFI efa nilaza fa tsy vahaolana handaminana nyfiainam-pirenena ny fifidianana amin`izao toerana misy an`i Madagasikara izao. Io taham-pahavitrihana iva io dia baomba iray mipetraka mangina ao ambanin`ny sezan`ny fitondram-panjakana ankehitriny. Tsy nankasitraka ny filoha ny vahoka ary voaporofo fa ny vahoaka no tompon`ny fahefana. Mila miresaka na manatanteraka ny « dialogue national » isika mba hijerena ny tena fanorenana ifotony satria resaka petatoko fotsiny ny fampandrosoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.