Politique

Tafapetraka ny faritra faha-23 Miezaka maka ny fon’i Vatovavy Rajoelina


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Tontosa omaly 7 oktobra 2021 ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Faritra faha-23 eto Madagasikara, dia i Vatovavy, rehefa avy nandalo dingana sy an-tanan-tohatra ary adihevitra maro.

Lanonana goavam-be izay notarihin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra no nanamarihana izany. Natolotra amin’ny fomba ofisialy ho an’ny vahoakan’i Vatovavy ihany koa ny Governoram-paritra Dr. Randriarison Maurice Lucien, izay voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 06 oktobra lasa teo. Nambara fa tanteraka ankehitriny ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoakan’i Mananjary fony izy hilatsaka ho fidiana. Nambaran’ny Filoha fa natoka-monina sy adino i Mananjary rehefa nesorina taminy ny maha renivohitry ny prefektiora azy tamin’ny taona 1977. Nijanona nanaraka izany ihany koa ny fampandrosoana ny Faritra, saingy nambara fa haverina amin’i Mananjary ny hasiny sy ny fampandrosoana azy sy ny vahoakany. «Ny fizaram-paritra dia fandaminana ny fitondrana ny raharaham-panjakana ary hitondra ny fampandrosoana haingana, mahomby sy manakaiky vahoaka… Araka izany dia na ho an’i Vatovavy izay vao tonga faritra mahaleo tena, na ho an’i Fitovinany dia hitondra fandrosoana marina ho an’ny distrika, kaominina ary fokontany tsirairay izao fizaram-paritra izao, araka ny fampanantenana. Natolotra ihany koa ireo fitaovana goavana hahafahan’ny Faritra manamboatra ireo lalana mampitohy ny distrika sy ny kaominina ao aminy. Maka ny fon’ny vahoaka any an-toerana ny Filoha, ary toy ny efa endrika propagandy no miseho.
NANAIKY TSY FIDINY SY NANGINA I IKONGO ?
Na nisy aza ny lonilony tsy nifankahitana tany am-piandohana, dia tsy namelan’ny Fanjakana raha tsy tanteraka. Rehefa mitondra Fanjakana tsy politika fotsiny fa mila mahay hivim-pahalalana momba ny haiolona sy haivondron’olona na “anthropologie”sy “éthnologie”, hoy ny depioten’Ikongo Brunelle Razafitsiandraofa tamin’ny fotoan’androny. “Izahay hiaraka amin’I Vatovavy na tsy hahazo fotodrafitrasa aza fa ny fotodrafitrasa ho azonay ihany amin’ny fitondrana manaraka”, hoy ireo olobe . “Vitaiko, hoy izy, ny adidy amin’ny maha solombavambahoaka ahy, dia ny mitatitra ny hetahetan’ireo raiamandreny sy vahoaka avy any aminay mikasika io raharaha io ”. Somary nangina tanteraka tsy niresaka an’io intsony ity olom-boafidy ity taty aoriana. Ny volana novambra 2020, nisy ny fanambarana nataon’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy naneho hoe: “Atoa Governora, izahay maka an’i Brunelle Tompoko, raha vao resaka Ikongo fa izy no lanim-bahoaka tany…. Aza ampiadianao amin’ny Filoha i Brunelle fa tsy nahavita ny vitan’iny ianao. Manajà tena fa olom-boatendry », hoy izy. Tsy nanova na inona na inona ireny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT