Politique

TAFA MANOKANA Guy Rivo Randrianarisoa Milaza ny zava-misy marina…


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Anisan’ny nanaitra ny mpanara-baovao ny tsy nahitana an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa teny amin’ny Yandi By Pass nandritra ilay

 

 

fihaonamben’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny TIM (Tiako I Madagasikara) ny 26 febroary lasa teo. Fantatra avy eo fa hay izy efa tsy teto Madagasikara fa lasa tany ivelany ary mbola any hatramin’izao. Niezaka nanontany azy sy naka vaovao taminy ny Gazety Tia Tanindrazana ka niresahana ny momba azy, ny TIM, ny fifandraisany amin’ny filoha Marc Ravalomanana.

 

Tia Tanindrazana(TT) : Miarahaba anao Atoa Guy Rivo, elaela ianao tsy tazana ary inona no antony tsy nanatrehanao ilay fihaonamben’ny TIM farany teo ?

Guy Rivo Randrianarisoa (GR) : Miarahaba, raha ny tena marina dia efa tamin’ny tapaky ny volana janoary aho no tokony ho any ivelany saingy nisy zavatra tsy maintsy mbola nokarakaraina dia taty amin’ny volana febroary vao tafainga, efa tsy teto an-toerana aho tamin’iny fihaonambe iny.

TT : Mahoraka be ny hoe manana olana amin’ny TIM ianao ?

GR : Samy manana ny filazany moa, fa ny azoko ambara dia TIM aho ary mbola TIM. Miresaka tsara amin’ny filoha Ravalomanana aho ary mialoha kelin’iny fihaonambe iny aza mbola niantso ahy an-telefaonina izy ary niresaka tsara izahay.

TT : Misy milaza fa efa namadika palitao ianao, ahoana ny momba an’izay ?

GR:Nisy tokoa ny feo nivoaka fa nandefa CV aho fa te ho minisitra, na te ho governora. Marihako fa feo nivoaka avy ao amin’ny TIM io no niparitaka. Misy olona manana fomba fiasa hafahafa mantsy ao…Tsipihako mazava ary averiko indray fa TIM aho ary mbola TIM, tsy miova amin’ny foto-kevitro hatramin’izay na dia misy manaratsy sy manenjika aza.

TT : Re fa misy taratasy mihodinkodina any miresaka fandroahana teratany vahiny Frantsay ary voatonona ao ny anaranao.

GR : Eny tena nisy tokoa io taratasy io, izay ambarako mazava tsara ho fantatry ny rehetra fa fanasoketana sy fanalam-baraka. Diso ny adiresy napetraka ao, diso tahaka izany koa ny anarako sy ny soniako. Nisy nandefa tany amin’ny masoivoho Frantsay eto amintsika io taratasy io, efa nahazo ny dika mitovy amin’io ihany koa ny filoha Ravalomanana ary izy no nandefa io taratasy io taty amiko. Efa nisy ny fanadihadiana natao momba io taratasy io ary efa fantatra ny olona nampanao azy…Fa aleo ho hitantsika eo ihany amin’ny manaraka ny mety ho tohiny.

 

TT : Inona moa izany no tena anton-dianao any ivelany amin’izao ? Sa tena hipetraka any mihitsy ?

GR: Mba niala sasatra kely miaraka amin’ny fianakaviako aho fa henjankenjana ny asa natrehana hatrizay. Ny 15 febroary izahay mianakavy kely no nandao an’i Madagasikara ary nihazo an’i Eoropa, nandalo tany Italie. Aty Londres (Grande Bretagne) aho izao manaraka fiofanana kely momba ny resaka serasera; avy eo hanaraka ny propagandin’ny fifidianana ben’ny tanàna ao Paris – Frantsa. Aorian’izay ny 25 martsa dia ho any Etazonia aho hanaraka ny propagandin’ny antoko Demokraty  savaranonando, tahaka ny efa natao ihany moa tamin’ny fifidianana filoha Amerikanina tany aloha. Tsara jerena ireny mba hakana traikefa ary hifampizarana amin’ny mpiray tanindrazana rehefa tafaverina any Madagasikara.

TT : Mankasitraka anao

GR : Misaotra anareo nanontany ahy satria nahafahana nanambara ny zava-misy marina fa tsy honohono sy ahiahy foana no lasa mibahana ka mandiso ny fomba fijerin’ny olona. Mirary soa indrindra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT