Politique

Tabera Randriamanantsoa “Voalohany tamin’ny fitondrana tsy misy ilàna azy ity”


  • Zoma 18 Febroary 2022

Mijoro manatanteraka ny asan’ny mpanohitra ny RMDM, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, omaly. Manome soson-kevitra ho an’ny firenena koa,

 hoy izy, satria iraisana ny firenena fa ny mpitondra fanjakana no be marenina tsy mandray ny soso-keviny. Tsy misy laoniny ny politika ankapoben’ny fanjakana. Balaoasy no ataony rehefa mahita vahoaka maromaro dia miteniteny eo hoe amboariko ny lalana Mahanoro, Nosy varika, Mananjary atao tara na “goudron”. Toy izany foana fa tsy misy zotra politika mipetraka amin’ny maha mpitondra. Fitondrana balaoasy ity. Tsy misy politika mazava ny fitantanana ny firenena. Tsy misy politikan’ny fampanana asa. Tsy misy hoe famoronana asa ho an’ny tanora hany ka lasa tontakely daholo satria tsy an’asa sy noana. Jereo ny politikan’ny fitantanana ny vidin-javatra fa tsy misy mazava. Miakatra daholo ny vidin-javatra ka tsy tantin’ny vahoaka intsony ny hiatrika izany. Ity fitondrana ity no voalohany tamin’ny fitondrana tsy misy ilana azy teto Madagasikara. Tsy manana fototra ho aleha. Tsy manana paikady hitondrana ny tany sy fanjakana fa dia mpitondra mipetraka eo izy dia manao izay zavatra hitany fa mahasoasoa ny fiainany sy ny fianakaviany. Mandeha ny fanondranana volamena isan’andro izao fa tsy misy tomponandraikitra tratra. Nanoso-kevitra ny filohan’ny RMDM hoe tsy maintsy atao ny fifidianana fa mialoha izany dia mila fikaonan-doham-pirenena handinihina ny zava-drehetra, ny olan’ny CENI, ny fipetrak’io HCC io. Ny filoha lefitry ny CENI milaza fa tsy ahafahana manao fanavaozana ny fifidianana ny lalana. Raha tsy voadinika izany rehetra izany dia tsy andeha amin’ny laoniny ny fifidianana amin’ny 2023.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT