Politique

Tabera Randriamanantsoa «Tsy misy manambitamby izany eo»


  • Talata 19 Oktobra 2010

Ilaina dia ilaina mihitsy ny fanelanelanan’ny CNOSC, ary na tsy ho tonga ao aza ny Ankolafy Rajoelina dia tsy olana izany, ry zareo rahateo efa tsy misy mpanaraka intsony.

Izany no nambaran’i Tabera Randriamanantsoa avy ao amin’ny Ankolafy Zafy Albert raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa efa maro be ireo karazana vondrona politika afaka miara-midinika amin’ny famahana ny krizy fa tsy voatery hiandry an’i Andry Rajoelina sy ny tariny izany, eo ohatra ny Escopol, ny UDR, sy ny Les AS. Miaraka amin’ny Ankolafy telo ireo dia mahasolo tena tsara mihitsy ny tontolo sy ny firehana politika rehetra eto amintsika, araka ny nambaran’ity mpikambana ao amin’ny Ankolafy Zafy Albert ity ihany. Tsy misy manambitamby an’i Andry Rajoelina mihitsy eto, hoy i Tabera Randriamanantsoa, fa rehefa tsy hanao izy dia mijanona fotsiny. Aminy ihany koa dia tokony ho eto Madagasikara ihany fa tsy atao any ivelany ny fihaonana, ka tsy maintsy manatrika izany ny filoha mirahalahy teo aloha Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Ka fototra iaingan’ny dinika ny satan’i Maputo izay namaritra ilay fiaraha-mitantana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT