Politique

Tabera Randriamanantsoa “Tsy mandà hiditra anaty governemanta ny CRN”


  • Alakamisy 15 Jolay 2021

Mirarakopana ny fanehoan-kevitra ara-politika ao anatin’izao toe-draharaha mifamahofaho eto amin’ny tany sy ny Fanjakana izao.

Resaka ny nitana ny sain’ny maro ny mety ho fanovana ny mpikamban’ny governemanta, ka samy manana ny ambarany ireo Etamazaoro politika samihafa. Manomboka maneho mivantana ny fahavonany hiditra na tsia ao anaty governemanta ny mpikatroka politika sasany. Manana olana be ny firenena, adidin’ny mpanohitra ny mikaroka vahaolana ihany koa, samy manao izay tandrify azy. Nisy ny fikaonan-doha nataon’ny mpanohitra, atolotra ny fitondram-panjakana io ka raha raisiny dia arahaba soa, arahaba tsara raha tsy raisin’ny filoha dia entina mitety faritra ka hazavaina amin’ny mpiray tanindrazana hoe izao sy izao no soso-kevitry ny mpanohitra mba hanavotana ny firenena”, hoy Atoa Tabera Randriamanantsoa, iray amin’ireo mpikatroka ao anatin’ny fanoherana tamina fampahalalam-baovao iray omaly. Ho an’ny CRN manokana dia fampihavanam-pirenena ihany aloha, araka ny foto-kevitra nijoroany hatramin’izany, hoy ity Politisianina ity. Na inona na inona atao eto dia tsy ho tafavoaka isika Malagasy raha tsy mihavana. Mila vahoaka miaraka miainga ny firenentsika. Tsy mandà ny hiditra anaty governemanta ny CRN raha voaantso. Misy fahasamihafana ny fomba fijery ny raharaham-pirenena fa tsy hoe mivaky akory ny mpanohitra, hoy izy. Manana ny fomba fijeriny ny TIM, dia manana ny azy ihany koa ny CRN, hoy I Tabera Randriamanantsoa. Ara-politika, isan’ireo nitondra fanakianana mivaivay ho an’ny Fitondrana ankehitriny indrindra ny Filoha manokana sy ny manodidina azy Atoa Tabera Randriamanantsoa. Isan’izany ny nilazany fa ananany dosie maro ny Filoha Rajoelina sy ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga, ary efa nisy ny fitoriana nataon’Itompokolahy Pr Zafy Albert momba izany. Mety hisokatra amin’Atoa Tabera Randriamanantsoa manokana ve ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany? Amin’ny politika dia tsy misy ny hoe: mpinamana na mpifahavalo mandrakizay ka samy manaraka izay ho fihodiny ny olom-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT