Politique

Tabera Randriamanantsoa “Ny fampihavanam-pirenena ihany no vahaolana”


  • Alakamisy 21 Janoary 2021

Anisan` ireo antoko politika nanatrika ny tatitra nataon`ny Vaomiera misahana

 

 

 

 


ny fanadihadihana eo anivon’ny Antenimierandoholona momba ireo raharaha efatra nohadihadiana ny antoko Kintana izay tarihan` ny filohany Tabera Randriamanantsoa. Ny mahakasika ny raharaham-pififidianana moa no isan`ireo nohadihadiana. “Nivoaka iny ny marina. Efa tamin` ny fifidianana floham-pirenena izahay tao amin` ny “Collectif des candidats » no nanambara ireny saingy nolavin` ny Filankevim-panjakana. Raha ireny ny zava-nisy dia azo amabra ho “haute trahison”’ hoy izy. Notsipihany hatrany fa tsy misy afa-tsy ny fampihavanam-pirenena no vahaolana tokaana ho an`i Madagasikara raha te handroso. Voalaza ao anatin` ny lalàmpanorenana ny fampihavanana ary mitondra any amin` ny fanorenana ifotony, hoy ihany izy. Marihana fa azo hampiharina amin` ny sehatra maro ny fampihavanam-pirenena: ohatra amin` ny fianarana, raha mitovy tantana avokoa ny rehetra dia mandeha ny fampandrosoana. Raha mitovy tantana ny fahasalamana an-dRenivohitra sy ambanivohitra dia afa-miasa ny rehetra ary mandeha ny fampandrosoana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT