Politique

Tabera Randriamanantsoa Mbola ilaina ve ny ministeran’ny raharaham-bahiny ?


  • Talata 30 Novambra 2010

Ny fisian’ny fankatoavana iraisam-pirenena no nahafahana nanamboatra ireo foto-drafitrasa isan-tokony teto amintsika, hoy i Tabera Randriamanantsoa raha nampatsiahy ny amin’ny maha zava-dehibe izany fankatoavana iraisam-pirenena izany ny tenany omaly nanoloana ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy Telo tetsy amin’ny tokontanin’ny Villa Elisabeth.

Fanontaniana koa no napetrany ny amin’ny tokony hilana ny ministeran’ny raharaham-bahiny raha toa ka tsy ilaina tokoa ny any ivelany sy ny vahiny ? Ankoatra izay dia nahitsy ny tenin’ity solontena avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ity fa dia “tsy Malagasy no mitondra eto Madagasikara fa Frantsay”. Araka ny vaovao nampitain’i Tabera Randriamanantsoa ihany dia mitady izay ho praiminstra ny frantsay ankehitriny ary dia eo anivon’ny ankolafy Ratsiraka no hizahana izany. Nokianin’i Tabera mafy koa ny fahasamihafan’ny vokatra any amin’ny Kaominina, toy ny tany Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana, sy ny tononina ao amin’ny CENI.  Momba izay fifidianana izay ihany dia lany 52% ny TSIA tany Ankazobe, hoy ny solombavambahoaka teo aloha, Ravelonanosy Mamitiana. Ankoatra izany anefa dia tsy nifidy ny Ankolafy Telo, araka ny fanazavany ihany. Manoloana ny tsy fahafaha-miteny sy ny zava-misy amin’ny ankapobeny eto amintsika moa dia miantso ny Ankolafy Telo mba tsy ho fanambarana intsony no hataon’ny fianakaviana iraisam-pirenena. Raha nivory moa ireo Parlemantera, araka ny fanazavan’ity olom-boafidy ihany dia samy niara-nanaiky fa tsy mbola misy afa tsy ny satan’i Maputo ihany no hampilamina ny firenena. Raha te hiara-dia tamin’ny FAT izahay, hoy izy dia efa ela no nanatona azy ireo.

 
Nangonin’i Soa
 
Sary : Tabera Randriamanantsoa nandaha-teny tao amin’ny Villa Elisabeth omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT