Politique

Tabera Randriamanantsoa “Hararaotin’ny vazaha ny tsy firaisankinantsika”


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Fantatry ny olona fa tsy manampahefana hanapa-kevitra avy any ambony ireo minisitrantsika, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana sady filohan’ny “Comité pour la reconciliation nationale” na CRN,

 Tabera Randriamanantsoa, naneho ny heviny mikasika ny kabarin’ny filoham-pirenena ny alahady teo sy nampahatsiahy ny maha samihafa ny 10 aogositra 1991 sy ny raharaham-pirenena ankehitriny. Fositr’izany ny lalampanorenana izay manome fahefana lehibe ny filohan’ny repoblika, hoy izy. Na resaka ady tany na tsena na lalana dia any amin’ny filoham-pirenena avokoa no antsoina. Tsy ao anaty fandaharan’ny minisiteran’ny fanabeazana, ohatra, ny hanao sekoly manara-penitra amina toerana iray saingy efa anaty programan’ny filoham-pirenena ilay izy. Misy praograman’ny filoha nefa koa misy velirano 13. Mifanipatsipaka toy izany daholo ny raharaham-pirenena dia aty amin’ny minisitra no mifatratra. Ny fifampiresahana ihany na avy aty amin’ny mpanohitra na fiarahamonim-pirenena na mpitondra no handaminana izany. Marina iny tenin’ny filoham-pirenena iny hoe ho loza no hihantra amin’ity firenena ity raha tsy miray hina. Efa zava-dehibe ny fiantsoana fihavanana. Ny 10 aogositra 1991 dia nampalahelo satria efa nisy fifampiresahana sy fifanarahana nefa mbola misy ambom-pon’ny mpanao politika tamin’izay dia hoe hesorina amin’ny filoham-pirenena mihitsy ny fahefana rehetra. Lasa tany Iavoloha avy eo. Izaho moa nitarika ny Federalisma, Alain Ramaroson nitarika ny Herivelona Rasalama tamin’izany. Efa fantatra izao fa faritra mena io ary nitovy tamin’ny 2009 mihitsy. Ny nampalahelo dia ny madinika nafana fo no maty fa ireo lehibe nihatakataka. Mba tsy hiverenan’izany intsony no anaovanay antso avo amin’ny mpanao politika tsy hitarika olona amin’ny faritra mena intsony. Mila firaisankina isika hananganana ny firenena Malagasy satria hararaotin’ny vazaha izao ny tsy firaisankinantsika ary misy dian-tanany io Apollo 21 io, hoy hatrany ity filohan’ny CRN ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT