Tsy mbola nahita fifidianana fotaka toy iny depiote iny aho, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, raha nilaza ny heviny voalohany indray taorian’ny fitetezam-paritra nataony.
Efa ratsy ny fifidianana filoham-pirenena fa tamin’ity tena hita tsy miraharaha kalitao ny fitondrana fa manenjika isa ho eny amin’ny antenimieram-pirenena fotsiny. Nampiasa izay fomba rehetra maloto fa tsy madio izy. Kandida tsy tian’ny olona ny vondrona misy azy no an’ny fanjakana fa noterena fotsiny, hoy hatrany izy. Nampiasaina ny rafitra rehetra. Toy iny faritra misy anay iny izao dia ny mpanjaka mihitsy no namoaka taratasy hoe izay tsy mifidy an’ity dia tsy mahazo fasana sy voasazy. 15% no taham-pahavitrihana tao Farafangana vokatr’io. Ny an’ny kandida anay ao Befandriana izao 57% no vato azony dia notadiavina hanova izay ny lehiben’ny distrika. Tsy mahagaga raha tsy taitra amin’ny fetim-pirenena ny olona. Vitsy no manangan-tsaina satria kivy amin’ny fitondrana. Tsy mpanao politika no tonga eo amin’ny fitondrana fa mpibizina ka asa na hatao fandihizana fotsiny sy ho an’ny manana “doctorat en kilalaky” fotsiny izany io antenimieram-pirenena io, hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.