Antony goavana tsy nampahomby ny fampihavanam-pirenena tao anatin’ny 10 taona mahery ary mitady mbola hotohizana ankehitriny ny tsy fananantsika Malagasy, indrindra ny mpanao politika ilay finiavana hamoaka ny tena marina fa variana fotsiny amin’ny adivarotra politika mba ahazoana toerana ao amin’ny andrim-panjakana.
Izay indrindra no nahatonga ny «Comité de Réconciliation Nationale» nanao ny fikaonan-doha niarahan’ireo solontenan’ny faritany nandritra ny 2 andro teto an-drenivohitra izay niafara tamin’ny famoahana fehin-kevitra voarafitra ao anaty boky kely ahitana pejy 39. Tsara homarihina, hoy ny filohan’ny CRN Tabera Randriamanantsoa fa foto-kevitra ny fampihavanam-pirenena ka mahatonga ny fitakiana amin’ny hananganana ho rafitra maharitra eto amin’ny firenena. Momba ny antso ataon’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy moa dia tsy manisy olana amin’izany ny CRN ary vonona hamaly ny fanasana fa kosa mitaky vokatra lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny fivoaran’ny fiarahamonina lavitry ny disadisa sy tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy Malagasy.
Tokony ho hita taratra ao amin’ny firafitry ny governemanta hitsangana tsy ho ela ny politika iraisan’ny mpitondra ka hisy akony amin’ny sehatra rehetra ato anatin’ny firenena, hoy izy. Ny Lalàmpanorenana no fototry ny fampihavanam-pirenena, hoy ihany ny fanampim-panazavany ka tokony hisongadina ao ny firaisankinan’ny Malagasy. Ho tohin’ny hetsika fampihavanam-pirenena moa dia hifamotoana eny Mahazoarivo indray ireo vehivavy CRN ny 27 martsa 2014 izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonany. Nasaina manokana hanatrika izany moa ireo vadin’ny filoham-pirenena sy fanjakana nifandimby teto amin’ny firenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.