Tsy mety tanteraka eto Madagasikara mihitsy ny fampihavanam-pirenena satria tsy noraisina araka ny tokony ho izy ilay hevi-dehibe nofonosiny fa natao hitadiavan-tseza sy hiarovana tombontsoa manokana ho an’ny vondron’olona na antokon’olom-bitsy, hoy i Tabera Randriamanantsoa, tompon’andraikitra mpanetsiketsika ny fananganana ny Komity momba ny Fampihavanam-pirenena.
Efa nanomboka tamin’ny taona 2002 no nandresy lahatra ny amin’ny tokony hampijoroana ny «Comité de Réconciliation Nationale» ny filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert sy ireo mpanara-dia azy saingy toa tsy nisy akony izany fa toa niantso an-tany efitra ihany. Tsy nahakivy ireo mpikambana maro manerana ny Nosy resy lahatra ny amin’ny maha zava-dehibe ny fampijoroana io rafitra io anefa izany ka niezaka hatrany izy ireo nanohy ny fandresen-dahatra ireo hery velona sy tompon’andraiki-panjakana nifandimby nitantana ny firenena hatramin’ny taona 2010. Tsapa, hoy i Tabera Randriamanantsoa, filoha lefitry ny Komitim-pirenena manohana ny fanjakana misandrahaka fa vao ny 1%-n’ny asa mikasika ny fampihavanam-pirenena no tontosa tao anatin’izay taona maro izay. Izany indrindra no anton’ny nandefasan’ireto mpikambana ao amin’ny CRN ireto taratasy any amin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery ny amin’ny tokony hamoahana didim-panjakana fampijoroana ny rafitra iray maharitra ny Komity misahana ny Fampihavanam-pirenena. Dingana iray hahatongavana amin’ny tanjona tiana hotratrarina ny fikarakarana loabary an-dasy arahina adihevitra izay hotanterahana ny alatsinainy 03 marsta 2014 eny amin’ny foiben’ny CRN eny Mahazoarivo. Handray anjara mavitrika amin’izy io ireo solontenam-paritra rehetra eto amin’ny firenena ka angonina amin’io fotoana io ireo hevitra rehetra momba ny fandaminana. Horesahana ao ihany koa ny mikasika ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao, hoy ny fanampim-panazavana azo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.