Tsy nametra-pialana ary tsy nieritreritra ny hiala tsy ho Tale kabinetra sivilin’ny fiadidian’ny Repoblika, ary mampandeha an-tsakany sy an-davany ny asa iandraiketany Rtoa Stephanie Delmotte.
Tsy manana olana ihany koa amin’ny filoham-pirenena na amin'ireo mpiasa-miasa aminy, araka ny fampahafantarana nataony omaly manoloana ny fanontaniana mipetraka hoe : Stephanie Delmotte Nametra-pialana fa nolavin’ny filoha ? Izahay ato amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, dia miasa ary manohy ny asa sy ireo toromarika napetraky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ary tsy mikely soroka manao izay hampandeha an-tsakany sy an-davany ny asa rehetra, hanatrarana ny tanjona izay napetraka dia ny fantanterahana ny veliranom-pampandrosoana natao tamin'ny vahoaka Malagasy, hoy io Tale kabinetra sivilin’ny fiadidian’ny Repoblika io. Ny risipo sy ny fahavitrihan’ny filoha Andry Rajoelina hanavotra ny firenena no anisan’ny nandrisika tanteraka ahy hiara-kiasa aminy ary hanao araka izay takatry ny fahaizako hitondra ny anjara birikiko ho fanavotana ny firenena. Maro ny asa efa vita ary mbola marobe ireo miandry antsika. Voafehy tsara avokoa ny lafiny rehetra na ara-toekarena na ara-tsosialy na ara-politika ary mizotra araka ny niheverana azy hatreto ny lalan’ny fanarenana ny firenena na dia eo aza ny sakantsakana isan-tsokajiny. Vao mainka ireny mampandroso hatrany, hoy hatrany io tompon’andraikitra ambony io.
Marigny A.
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.