Politique

Sorena amin’ny Bianco ny APM Fitoriana 8 volana tsy handrenesam-bokatra


  • Alarobia 07 Jolay 2021

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny Tale Jeneralin’ny birao mahaleotena misahana ny kolikoly eto Madagasikara na Bianco sy ny mpiara-miasa aminy rehetra I Rakotoarisoa Faniry Alban,

 filohan'ny Antoko Politika Madio, ary nanambara fa tsy afa-po amin'ny fiasan'ny BIANCO. Fitoriana miisa 2 izay no napetrakay teny aminareo tato anatin'ny 8 volana, hoy izy, saingy tsy nisy tohiny no tsy fantatra mazava hatreto ny vokatry ny fanadihadiana sy ireo izay tena atidoha niketrika ireo tranga kolikoly nosoratany tao anatin'ny fitoriana. Noho ny fifanajana dia nandefa “e mail” am-panajana anareo ny Sekretera Jeneralin'ny APM ny 27 may 2021 saingy tsy nisy valiny. Raha tsorina dia tsy fahavalo izahay, tsy hanangana ady amin'ny Bianco ihany koa sanatria fa amin'ny maha Antoko Politika mijoro ara-dalàna dia sarotiny amin'ny kolikoly mitranga eto amin'ny tany sy firenena. Mampametra-panontaniana ny zava-misy hoe mahaleo tena tokoa ve ianareo sa misy tsindry avy any ambadika fa tena mahasorena ny mitory kanefa tsy misy vokany mivaingana azo tsapain-tànana ny zavatra hita miharihary? Ekena, mety misy ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana fa tao anatin'ny 8 volana ve dia tsy nisy vaovao mikasika ireo fitoriana napetraka? Mbola mangataka am-panajana sy am-pitiavana ihany izahay ary tsy ho kivy, tsy ho sasatra ny hanoratra eto. Mba hisian'ny mangarahara dia ataonay ao anaty dika mitovy ireo mpanao gazety izay anananay ny mail mba hampafantatra izao vaovao izao ho an'izay rehetra mila azy fa tsy nahazo valiny mahafa-po aminareo BIANCO izahay antoko Politika Madio androany 2 jolay 2021 isika no miresaka. Ampiarahanay amin'ity “e mail” ity ny fitoriana napetrakay teny aminareo BIANCO, Samifin ary Csi tamin'ny 2 novambra 2020 mikasika kolikolim-pifidianana (laharana kara-panondro miverimberina), raharaha 8 miliara ariary tao amin'ny ministeran'ny Fanabeazana ary raharaha "écran plat" naha voatonona ny minisitry ny atitany. Ampiarahanay amin'ity “mail” ity ihany koa ny fitoriana napetrakay teny aminareo BIANCO ny 8 janoary 2021 mikasika fitoriana kolikoly tamin'ny fanondranana an-tsokosoko volamena 73,5 kg, hoy hatrany ny filohan’ny APM.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT