Politique

Solontenan’ny OSC ao amin’ny CENI Ando Andriamalazaray sy Michael Ravalitera


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Tontosa omaly 27 oktobra 2021 tamin’ny 3ora tolakandro ny fifidianana ireo solontena 2 avy amin’ny Firaisamonim-pirenena na ny OSC

 (Organisation de la Société Civile) handrafitra ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana CENI. Ho an’ny toerana voalohany, dia Atoa Andriamalazaray Andoniaina avy amin’ny Komity Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena na KMF/CNOE no lany, ary nahazo ny toerana faharoa kosa Atoa Ravalitera Michael avy amin’ny ASD (Action Sociale pour Developper). Firaisamonim-pirenena miisa 15 moa no voalaza fa nahafeno ny fepetra ara-dalàna, ka nanao ny fifidianana ireo solontenan’ny Firaisamonim-pirenena ireo. Etsy andaniny, misy ihany koa ireo andiana firaisam-pirenena mitsikera mafy ity fifidianana nandeha ity ka asa izay ho tohiny taorian’ny fanambarana ofisialy, fa izy mirahalahy ireto no voafidy ho solontena eo anivon’ny CENI.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT