Misy ny taratasy misokatra nalefan’ireo solontenan’ny mponin’ny distrikan’Analalava ho an’ny filoham-pirenena manoloana ny hoso-pifidianana niseho tany an-toerana.
Efa ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI mihitsy, hoy ity fitarainana ity, no nanamafy fa tafahoatra ny hala-bato tany amin’izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia mbola misy kandida mirehareha fa baikon’ny filoham-pirenena mihitsy ny fandaniana azy. Miantso ny tompon’andraikitra, araka izany, izy ireo mba hanao fanadihadiana manoloana ny zava-misy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.