Nazava ny fanambaran’ireo solontenan’ny mponina avy amin’ny fokontany maromaro sy ny kaominina sasany any amin’ny distrikan’i Tsihombe, omaly.
« Nifidy ny filoha Rajoelina Andry izahay. Nifidy koa ny depiote Masy Goulamaly, hany mahafehy ny fampandrosoana ny faritra Androy, indrindra fa ny distrikan’i Tsihombe. Tsy mampandroso ny adilahy politika ataon’ny sasany amin’ny fanaaratsiana. Izahay kosa manohana azy » hoy ny sefo fokontany ao Anabovo Atsimo, kaominina Behazomanga. Mitsipika mari-drano ny fanambarana fanenjehana sy manaratsy ny depiote ao amin` ity distrika ity izy ireo. « Tsy manadino anay vahoaka hatrany ny depiote. Vao nizara vary, hanikotrana ary arovava ho anay izy izao. Aoka tsy hosakanana ny fampandrosoana”, hoy ny sefo fokontany “Centrale”, i Tsiratia Pauline. Nanteriny fa misy tsy manao ny asany ireo ben’ny Tanàna sasany. Maka vola etsy sy eroa, tsy araka ny tokony ho izy, araka ny nambarany. Nanamafy moa ny sefo fokontany ao Fototra fa « anisan’ny niady mafy nametraka azy tamin’io toerany io izahay. Tanora, olobe, raiamandreny samy nanome fitokisana azy ka tsy azo ekena ny fitsipahana ny fampandrosoana an’i Tsihombe ». Nohitsin’izy ireo fa manala baraka ny depiote ireny fanambarana ataon’olombitsy ireny ary manaratsy endrika ny filoha Rajoelina Andry koa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.