Tsy isan’ireo olona nankatoavina tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ny 30 oktobra teo ho mpikamban’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) Atoa Randrianarivonantoanina Fanomezantsoa Tiana,
izay voafidiny Fitsarana Tampony ho solontenan’izy ireo ao anatin’io rafitra mpikarakara sy mpikirakira fifidianana io. Ny 07 oktobra teo moa no voavidy Randrianarivonantoanina Fanomezantsoa Tiana izay marihina fa “Commusaire de la loi” eo anivon’ny Fitsarana Tampony, ary efa minisitry ny jono sy ny harena anaty rano teo aloha. “Raha ny andrim-panjakana hafa, toy ny eo anivon’ny Mpitsara, dia manana zo hifidy olona iray. Resabe izany tamin’ny herinandro, tsy mety amin’izy ireo, dia tsy maintsy haverina”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Marc Ravalomanana tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo, izay efa nanipy teny fa tsy mety io CENI io fa olon’ny fitondrana 100% kanefa ny filoha am-perinasa azo antoka fa mbola hirotsaka, mila fikankevi-pirenena, hoy izy. Nilaza kosa ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza, fa fampanarahan-dalàna no natao. Ilay izy tsy hoe tsy voaray, hoy izy. Nisy didim-panjakana nivoaka manoloana ny fikarakarana ny fifidianana. Mba ho fampanajana ny lalàna, kanefa mety tsy fantatra no antony, ary nambara fa efa nisy ny famoahana azy tamin’ny filan-kevitry ny minisitra. Ny solontenan’ny Filoham-pirenena sy ny avy amin’ny Fitsarana tampony sisa tsy voatendry. Hitondra filaminana sy fitoniana ara-pifidianana ve ny CENI amin’ny endriny ankehitriny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.