Tafiditra ao anatin’ny lahadiniky ny Antenimieram-pirenena amin’izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay hisolo ny toerana banga ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI).
Araka ny fandaharam-potoanan’ny Antenimieram-pirenena dia omaly, teny amn’ny CCI Ivato, no tokony nanatanterahana izany fifidianana izany . Tsy fantatra moa ny tena antony ny fanemorana fa noho ny fangatahan’ny Vondrona Parlemantera IRD sy GPR dia nanapa-kevitra ireo Solombavambahoaka hanemotra izany fifidianana izany amin’ny fotoana manaraka. Izay no fanapahan-kevitry ny maro an’isa koa dia izay no ekena, hoy ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Ny 18 jona no hivory ny birao maharitra amin` ny Antenimieram-pirenena hamaritra indray ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana izay ho solontenan` ny Antenimieram-pirenena eo anivon` ny CENI. Olona 15 no nametraka ny antontan-taratasy ho hofidiana ka 11 no ho raisina ary tonga teny amin` ny CC Ivato omaly. Tsikaritra moa dia lehilahy avokoa ireo kandidà mpifaninana amin` ny fifidianana izay ho solontenan` ny Antenimieram-pirenena eny amin`ny CENI. Teknisianina sy administratera sivily no betsaka amin` izy ireo.Manahy politika maloto manodidina izao fihetsika izao kosa ny depiote TIM araka ny nambaran’i Rodin Rakotomanjato voafidy tao Arivonimamo.Rehefa voafaritra ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana dia irosoana izany fa tsy ahemotra indray satria ianareo no tsy mifanarana any, hoy ity olom-boafidy TIM ity.Io fifandresen-dahatra any ambadimbadika io no nahatonga ny kolikoly tamin’ny alalan’ny fizarana malety, hoy izy.Dia mbola tsy nandray lesona tamin’ny zava-nitranga tany aloha foana ve, hoy ny depiote Rodin.
Kandida roa no malaza fa tsara toerana amin’ity fifidianana ity hatreto dia Atoa Benaivo Andrianaly Narcisse Lehiben’ny faritra SAVA teo aloha sy Atoa Rajaonarison Charlie Hyacynthe, Lehiben’ny distrikan’Andilamena sy Vatomandry teo aloha, ary efa Lehiben’ny CIM (Centre d'Immatriculation) teto Antananarivo.
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.