Tsy re feo sy tsy re tsaika intsony ny praiminisitra teo aloha Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Narary ve sa efa lasa nisidina nanorim-ponenana any ampitan-dranomasina ? Tahotra ny raharaha fahazoan-dalana mamily tsy tena ara-dalàna sy mamaly ny fenitra takiana teo ambany fiadidian’ny minisiteran’ny atitany notantaniny ve ? Sa kosa noho ny raharaha kolikoly samihafa nahavoatonona ny anarany toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy izay mitohy indray ny fanapaingorana ireo voarohirohy hafa ? Toa mampitombina ireny zava-boalaza ireny izao tsy fahitana azy izao. Olana ho an’ny mpitondra eto amintsika ny tsy fananana fahasahiana miatrika sy misedra ny mety ho setrin’ny zavatra natao. Azo sokajiana ho telo amin’izao no niafaran’ireo mpitondra teo aloha. Nisy ny nisafidy ny hiara-dalana tamin’ny filoha ankehitriny, saingy toa mbola mitanontanona miandry seza ao. Ao no mbola miala nenina nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka, ary ao no tsy re feo sy tsy re tsaika intsony. Ireo mety nanana dosie maloto samihafa, dia samy mitady fomba hierena, ka na tsy miteny sy tsy maneho hevitra fa mifitsaka tsara eto na any ampita, na miezaka ny miery ao anatin’ny fanjakana izay sokajiana ho mpifanandrina ara-politika na koa miezaka mitady seza amin’ny alalan’ny fifidianana hahazoana zo tsy azo henjehina raha mahatsapa sy matahotra ho lasibatry fanenjehana ara-pitsarana. Toa hifandimbiasana hatrany io fomba amam-panao io tato ho ato, izay toe-javatra anisan’ny mamotika ny firenena sy ny fomba fanaovana politika, indrindra manome vahana ny tsimatimanota.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.