Nihaona tamin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena izay notarihin’ny Filohany Razanamahasoa Christine ny Fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo rafitra maro samihafa, omaly.
Ny tanjon’ny fihaonana dia ny hanatsarana ny endriky ny Antenimiera amin’ny alalan’ny tamberin’andraikitra. Marihana fa depiote miisa 95 no nanao sonia ny « Charte de responsabilité » tao alohan’ny fifidianana tamin’ny 2019. Ny tamberin’andraikitra dia azo porofoina amin’ny fanatanterahana ireo tatitra tokony ataon’ny solombavambahoaka amin’ireo nifidy azy, ny fanambaram-pananana sns… « Efa napetraka ny « Plan stratégique pour le développement de l’Assemblée nationale » entina hanatsarana izany rehetra izany, toy izany koa ny fanohizana ny fandinihana ilay tolo-pehin-kevitra mikasika ny « code d’éthique et de déontologie des Députés» » hoy hatrany ny filohan` ny Antenimieram-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.