Efa zary fomba fanaon` ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza no manao takalon` aina ny raharaham-pirenena. Anisan` ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana 4x4 notakiany hatry ny ela ankoatra ny karama sy ny tambiny omena azy tsirairay, izay efa midangana be.
Hain` ny depiote foana ny manazava ny antony amin`ny fomba tsotra. “Rehefa tsy omena fiara izahay, ajanony koa ny fiara ampiasain`ny tomponandraikitra ambony any amin`ny ministera” na koa “fiara hiasana any an-tany lavitra no takiany hitondrana marary sy mpiteraka…” Izany ho ny tombontsoa ambonin` ny firenena. Rehefa tena zohina anefa dia saika 4x4 ny ankamaroan` ny fiaran`ireo depiote. Fiara raitra daholo no hita tena amin` ny CCI Ivato nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan` ny Antenimieram-pirenena. Atao inona moa ny fiara 4x4 raha efa manana raitra kokoa noho ny fiara GasyCar? Misy aza amina miliara mihitsy ny vidiny. Sao zary lasa fandaniam-poana ao amin`ny kitapom-bolam-panjakana ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.