Politique

Sojaben’ny fakiolten’ny Siansa “Vitsy ny siantifika anaty fitondrana”


  • Alakamisy 16 Desambra 2021

Ny siansa no tokony hifotorana raha tiana handroso ny firenena, hoy ny sojaben’ny fakiolten’ny siansa eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo, Dr Parker Ramahazosoa.

 Tsy ela izao, hoy izy, ny resaka CVO. Siansa izany. Ny resaka tontolo iainana, fiarovana ny ala sy zava-boahary, ny tontolo maitso. Ny fanaovana hoe rakofana maitso I Madagasikara dia tokony hamantarana hoe inona no mameno ity tany ity na ny “composition” ao aminy. Inona no hazo na zava-maniry mety ambolena aminy dia miainga amin’izay ny fikarakarana saingy betsaka ireo mbola tsy mahatsikaritra izay dia na mandeha aza ny voka-pikarohana isan-karazana dia tsy ampiasaina amin’ilay izy. Betsaka ny tsy mbola resy lahatra. Na ny fanapahan-kevitra eny anivon’ny antenimieram-pirenena sy ny namany aza tokony hifototra amin’ny fikarohana ara-tsiansa. Vitsy ny siantifika ao anaty fitondrana kanefa na tsy manao politika loatra aza izy ireny dia natao hanampy ny mpanao politika na ny mpitondra. Izay no filamatry ny faha 60 taonan’ny fakiolten’ny siansa dia ny hoe “Siansa miara-miasa sy miara-mandroso!”, izany hoe, miara-miasa amin’ny fanjakana sy ny samy mpiara-miasa ato anatiny ary ny rehetra na mpiara-miombon’antoka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny sojaben’ny fakiolten’ny siansa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT