Politique

Soavinandriana Nolavina ny hetsiky ny TIM, nekena ny an’ny TGV


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Nametraka fangatahana ofisialy tao amin’ny distrikan’i Soaviandriana mba hahafahany manatanteraka fivoriana tafiditra indrindra amin’ny famelomamaso ireo rantsa mangaikany ny antono Tiako Madagasikara ny zoma lasa teo

Nitarika ny delegasionina ny sekretera jeneralin’ny antoko Tahiry Ny Rina Randriamasinoro, tany an-toerana ihany koa ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre.Tsia avy hatrany ny valiny fa hoe : tsy azo hanaovana fihetsiketsehana sy fivoriana politika any Soavinandriana. Anio alatsinainy 16 mey no noheverana hanatanterahan’ny TIM ny hetsika ao amin’ny kianja Maitso Soaviandriana, efa tsy azo izany ny alalana.Tampoka teo anefa , omaly alahady 15 mey dia nanao hetsika tao amin’io kianja Maintso io ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna TGV any an-toerana, namory olona ary nisy ny manampahefana tazana nanatrika izany, toa ny lehiben’ny distrika.Mipetraka ny fanontaniana : fa tsy hetsiika politika izany ny an’ny TGV, izay antoko politika ve ? Tranga efa hita tany Antsiranana ny toa izao, nampanantsoina natao fanadihadiana ireo mpitarika ny antoko TIM fa hoe mamory olona tsy nahazoana alalana.Avy eo anefa nanao karazana diabe nanerana ny tanàna ny TGV – Mapar . Manao fanapariaham-baovao anefa ny mpitondra fanjakana fa hoe misy demokrasia eto ary voahaja ny fahalalahana maneho hevitra. Izay ny am-bava sy any anaty serasera fa raha ny zava-misy marina dia manararaotra to any banga mihomehy amin’ny alina ny antokon’ny fitondrana sy ireo mpisolelaka milaza fa manohana ny filoham-pirenena afaka mihetsika, mivory sy midina an-dalam-be amin’izay fotoana maha diavolana ny sain’izy ireo. Izany ve no atao hoe tany manaja ny fahalalahana maneho hevitra ?

RTT


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT