Politique

Soamandrakizay - Nandraisana ny Papa Ny Katolika ihany no afaka mampiasa azy


  • Talata 02 Martsa 2021

Soamandrakizay, raha tamin’ny septambra 2019 no nanakoako izany anaran-toerana izany,

 

 

 nandritra ny fitsidihana apostolika notanterahin’i Papa Fransoa teto Madagasikara ka nihaonany tamin’ny tanora sy nitarihany sorona masina lehibe. Tato anatin’ny herinandro izao, dia miveriverimberina heno amin’ny haino aman-jery sy an-gazety ary amin’ireo tambazotran-tserasera sosialy io toerana io. Teo ny nanambaran’ny Prefen’Antananarivo folo andro lasa izay fa afaka ampiasain’ireo depiote ao amin’ny Miara-Manonja, hanaovana tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo rehefa tsy azon’ireo natao ny nanatanteraka izany tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo. Namerina nanao taratasy niantefa amin’ny Prefen’Antananarivo ireo depiote ao amin’ny Miara-Manonja ny fiandohan’ny herinandro lasa iny fa hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo eo amin’io toerana eo Soamandrakizay io, ny sabotsy 6 martsa ho avy izao ; ary dia efa mandeha ny fizaram-baovao miaro fanentanana ataon’izy ireo ho fiomanana sy fiatrehana izany. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fiangonana Katolika, tamin’ny alalan’ny monsenera Vikera Jeneraly Diosezy Antananarivo Rabenatoandro Ludovic, omaly, izay nanipika mazava sady hentitra fa tsy azo anaovana hetsika afa-tsy an’ny Katolika irery ihany ny kianja nandraisana ny Papa Ray Masina Fransoa eo Soamandrakizay, Boriborintany faha-5 Antananarivo Renivohitra. Nanentana ny rehetra ihany koa ny fiangonana Katolika mba tsy hampiasa ka hanaparitaka ny sarin’izany toerana izany amin’ny haino vakijery sy ny tambazotran-tserasera sosialy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT