Politique

Siteny Randrianasoloniaiko “Hampahafantatra ny zava-bitako aho amin’ny desambra ”


  • Zoma 12 Novambra 2021

Sarotra ho an’ny firenena tsy manana tantara no iantsoana azy hoe firenena, hoy ny filohan’ny vondrona afrikanin’ny taranja haiady Judo na UAJ, Siteny Randrianasoloniaiko nilaza ny maha zava-dehibe ny tetikasa “Nampoina”

, izay sarimihetsika an-dalam-panatontosana amin’izao fotoana izao ary mitantara amin’ny endriny mifanaraka amin’ny toetr’andro ny tantaran’ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Manamarika ny maha Malagasy io, hoy izy, fa ny ankabeazan’ireny moa tsy voasoratra dia lasa tsy misy lanja. Mampidi-bola ho an’ny firenena ny fanoratana ny tantara. Raha tsy misy ireo profesora maromaro nanapa-kevitra hanoratra tantara tahaka izany tsy ho hita ny harena ao anatiny. Izaho manokana nihaino an-drizareo dia voambolana tsy latsaky ny 10 isa angamba sambany vao henoko. Ny volana desambra izao aho no hampahafantatra amin’i Afrika iray manontolo na izao tontolo izao mihitsy ny zava-bitako tao anatin’ny fotoana fohy, raha resaka UAJ kosa indray. Raha tsy hiteny fotsiny aho hoe nandritry ny taona maro dia mpitsara lalao iray ihany no solontenan’I Afrika manerana izao tontolo izao. Tao anatin’ny fotoana fohy dia efa miisa 8 ireo mpitsara afrikanina lasa iraisampirenena. Raha miisa 2 teo ny fifaninanana iraisampirenena dia efa lasa 5 eto Afrika. Tamin’ity koa no nananganana ekipa afrikanina ho vatsiana ara-pitaovana vola hifanintsana amin’ny Paris 2024. Efa manomana sahady ny Los Angeles 2028 izahay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT